Taratasy Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-6

1 Ka noho izahay mpiara-miasa aminy àry dia mihanta aminareo izahay mba tsy handray foana ny fahasoavan'Andriamanitra hianareo;

2 fa hoy izy: Tamin'ny fotoana tsara, nihaino anao aho; ary tamin'ny androm-pamonjena, namonjy anao aho: indro, ankehitriny no fotoana tsara; indro, ankehitriny no androm-pamonjena 3 sady tsy avelanay hisy manafintohina izay rehetra ataonay, mba tsy ho azo tsinina ny fandraharahanay, 4 fa mainka ny zavatra rehetra entinay hahamendrika ny tenanay araka ny mety amin'ny mpandraharahan'Andriamanitra: dia faharetana lehibe amin'ny fahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fahantrana, 5 amin'ny kapoka, amin'ny tranomaizina, amin'ny tabataba, amin'ny fisasarana, amin'ny fiaretan-tory, amin'ny fifadian-kanina; 6 ary fahadiovan-toetra, fahalalana, faharetam-po, hamoram-panahy, ny Fanahy Masina, fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, 7 tory teny marina, ny herin'Andriamanitra, ny fiadian'ny fahamarinana, na amin'ny an-kavanana na amin'ny an-kavia; 8 na omem-boninahitra na alam-baraka, na ratsy laza na tsara laza; honoina ho mpamitaka, nefa mpilaza ny marina; ho olon-tsy fantatra, nefa fantatra tsara; 9 sy ho efa ho faty, nefa indro fa velona; ho faizina mafy, nefa tsy maty tsy akory; 10 ho ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; ho mahantra, nefa nampanan-karena ny maro; ho tsy manana na inona na inona, nefa manana ny zavatra rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0707